TSELATRA

Tapa-tongotra ny mpitondra moto tra-doza teny Andravoahangy, afakomaly alina. Nifandona tamin’ny fiara, nifatratra tamin’ny sisin-dalana ny moto nentin’ilay lehilahy. Voa mafy tamin’ny tongony ankavia izy.
Naratra mafy ny mpamily fiara sy ny olona iray hafa tao anatin’ny 4×4 tra-doza tao amin’ny kaominina Vohilava, distrikan’i Mananjary, omaly. Nivadibadika nivoaka ny arabe ilay fiara tsy mataho-dalana.
Naiditra am-ponja omaly, ireo mpanendaka roa lahy voasambotry ny polisy teny Anosibe. Sarona nandritra ny fisafoana alina nataon’ny mpitandro filaminana izy roa lahy ary nahatrarana antsy lavalela.
Lasibatry ny fisolokiana, very ny taratasy fian­tsoana ahafahana miatrika fanadinana Bakalorea an’ny tovovavy iray, teny Ankadindramamy, afakomaly. Nolazain’ireo mpisoloky fa miantso ny renin’io tovovavy io, kanjo nanjavona niaraka tamin’ny kitapo ireto mpanao ratsy.

Partager sur: