Ratsy ny vokatra ho an’ny Ankoay Madagasikara, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovina olona dimy, sokajy lehilahy. Faharesena intelo no azon’ny ekipam-pirenena malagasy.
Nifarana omaly, tao amin’ny kianja Stadium Marius Ndiaye, tao Dakar Senegal ny fifanintsanana hiadian-toerana «3ème fenêtre» ho an’ny “Mondial 2027”, taranja basikety ho an’olona dimy sokajy lehilahy. Laharana fahefatra ny Ankoay Madagasikara, tao amin’ny vondrona «B». Faharesena intelo misesy no azon’izy ireo. Omaly, nandritra ny andro farany, mbola lavon’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 118 no ho 102 indray ny Ankoay. Nitarika an’isa hatrany ny ivoarianina, nandritra ny tapa-potoana efatra nilalaovana. Niady ihany ny fihaonana teo amin’ny 10 mn voalohany. Nifanenjehana ny isa, saingy nanantombo ny ivoarianina, tamin’ny alalan’ny tifitra maka isa 3. Anisan’ny nisongadina tamin’izany, i Assemian Moulare. Tamin’ny alalan’ny valim-panafihana kosa no namonoan-dry Sitraka sy ry M’Madi ny baolina ho an’ny Malagasy. Nisaraka tamin’ny isa, 34 no ho 24 i Côte d’Ivoire, teo amin’ny tapa-potoana voalohany. Niezaka nandrindra fanafihana ny Ankoay teo amin’ny tapa-potoana faharoa ka lasan’ny Ankoay ny tapa-potoana faharoa, 31 no ho 28. Araka izany, 62 no ho 55 ny nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Tapa-potoana fahatelo, nanafaingana lalao ny Ankoay ka nisesy ny baolina maty. Tsy voatazona anefa ilay elanelana efa nisy ka 85 no ho 79 ny isa. Toy izany koa teo amin’ny 10 mn farany na dia nanao izay ho afany aza ry Elly. Tsiahivina fa resin’ny RD Congo, 82 no ho 62 nandritra ny andro voalohany ary nomontsanin’i Senegal, 101 no ho 59, teo amin’ny andro faharoa.
Fitia Randria




