Fisorohana ny Mpox : Tonga ny vaksiny 30 000 fatra

Tonga ny alahady teo ny vaksiny miaro amin’ny Mpox. Imvanex no anarany ary eo amin’ny 30 000 fatra eo no azo, izay mahavita hatramin’ny 150 000 olona raha mizara. Tafiditra tsy misy anavahana amin’izany ireo efa nahavita fatra voalohany hanao fatra faharoa.
Haparitaka manerana ny Nosy ity vaksiny ity, ary afaka manao vaksiny daholo ny vahoaka rehetra, indrindra ireo sokajin’olona marefo sy ireo mpisehatra amin’ny asa rehetra misy fifampikasoana na fivezivezena amin’ny faritra maro, ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.
Nanamafy ny fanentanana ho an’ny vahoaka malagasy ny amin’ny fanomezan-danja ny fanaovana vaksiny ny fanjakana, satria ampy tsara ho an’ny rehetra ny fatra eo am-pelatanana.
Vaksiny ihany no hany tokana hiarovana amin’ny tsy hiparitahan’ny Mpox. Maro ny paikady napetraka, toy ny fanentanana samihafa amin’ireo toerana betsaka olona mivezivezy, ny tsena, ny fiangonana ary ny sekoly…
Ilaina hatrany ny fahamailoana amin’ity valanaretina ity. Misoko mangina any anaty fiarahamonina any ny aretina ka ilana fitandremana fatratra.
Misy hatrany ny tranga vaovao, saingy tsy hita eny amin’ny fiarahamonina izy ireo fa raisina an-tanana avy hatrany.

Tatiana A

Partager sur: