Tsy fanajana ny fahadiovana : Hiafara amin’ny fanakatonana tsena

Tsy mitsitsy intsony ny fiadidiana ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra amin’ny fampanajana ny fahadiovana amin’ny toerana rehetra. Voakasik’izany ny fahadiovan’ny tsena. Fanasaziana hentitra no hihatra amin’ireo mpivarotra sy tomponandraikitra tsy manaja ny fahadiovana. Raha miverimberina ny tsy fanajana izany, mety hofoanana mihitsy ny fahazoan-dalana hivarotra eo amin’ny toerana misy azy.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Torolalana hampiharana ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ao amin’ny fizarana faharoa, adininy faha-42, dia tsy maintsy manana kifafa sy fanariam-pako avokoa ny mpivarotra rehetra ao an-tsena. Manadio ny toerana ivarotana aorian’ny asa varotra. Ny fanariana ny fako dia atao anaty toerana iombonana, manomboka amin’ny 5 ora hariva mandra-pikaton’ny tsena. Tsy maintsy manaja ny ora fisokafana sy fikatonan’ny tsena ny mpivarotra.
Fandoavana sazy, arahina fandraofana ireo entana no sazy. 50 000 Ar ny sazy aloa ho an’ny tsy fanarahan-dalàna raha tsy manary fako ara-potoana sy tsy manaja ny ora fisokafana sy fikatonan’ny tsena.
Ny faran’ny herinandro teo, nanadio ny tsena tetsy amin’ny Pavilllon Analakely ny CUA.
Tafiditra ao anatin’izany ny tsenan’ny trondro, ny mpivaro-kena ary ny ambadikin’ny Pavillon rehetra.

Tatiana A

Partager sur: