Tafiditra anatin’ny paikady hampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy afa-misaraka amin’izany ihany koa ny fanatsarana ny fivezivezen’ny kamiao maka sy hanatitra entana ao an-toerana. Eo koa ny paikady hanafoanana ny fitohanana eo amin’ny Boulevard d’ Ivondro, vavahady hidirana ao anivon’ny seranana. Hialana amin’ny filaharan’ny kamiao na fampiasan’ny mpamily sy ireo mpikirakira dosie misahana ny famoahana entana “transitaire” taratasy be loatra izany. Hatsaraina amin’ny alalan’ny niomerika izany rehetra izany, amin’izao fotoana. Samy manana ny andraikiny, noho izany, ny tompona orinasa mpitatitra. Ireto farany izay tsy maintsy misoratra anarana sy mampiditra ny mombamomban’ny fiarany, ny mpamily sy mpanampy azy, ny laharan’ny remorka hatramin’ ny lokon’ireo fitaovana ireo. Aorian’ny fanavaozana, amin’ny alalan’ny laharan’ny “voyage” ara-niomerika, finday na mailaka, tonga any amin’ny tompon’ny kamiao sy mpamily ihany no hidirany eo amin’ny vavahady lehibe voalohany “ portail No 1”. Tanjona ny ho tahaka ny seranan-tsambo lehibe indrindra any ivelany amin’izay, hanamorana ny fivezivezin’ny kamiao sy hampihenana ny fandaniam-potoana amin’ny fikirakirana taratasy sy filaharana. Hanatsarana ihany koa ny fanaraha-maso ny asa rehetra sy hanamafy ny fiarovana ny entan’ny mpandraharaha. Manampy izany, hampakatra ny lentan’ny toekarem- pirenena.
Sajo




