Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara nasionaly « Yas Coupe 2026 », ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Cosfa miaramila.
Notanterahina tetsy amin’ny orinasa Yas Madagascar Andraharo ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2026». Tafaverina hifanandrina amin’ity amboara nasionaly ity indray ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara sy ny Cosfa miaramila. Fihaonana izay hatao ny 12 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Mbola manala vela amin’ity ny miaramila, izay nahintsan’ny ekipan’Andoharanofotsy tany amin’ny ampahefa-dalan’ny “Pureplay Football League (PFL)” farany teo. Raha hiverenana kely ny ampahavalon-dalan’izy ireo, ny Cosfa miaramila nandresy ny As PTT, tamin’ny isa 5 no ho 1. Ny CFFA kosa nandavo ny Babangy FC, 2 no ho 1. Izay tafavoaka mpandresy amin’ny roa tonta no hiatrika ny manasa-dalana amin’izay tafakatra eo amin’ny FC Rouge sy ny AFCA. Ankoatra izay, hifampitana amin’ny AS Ste Anne, ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany teo. Hifanandrina amin’izay tafita eo amin’ny Ajesaia sy ny Wagner FC izay tafavoaka eo. Marihina fa hatao ny 22 jolay ho avy izao ny manasa-dalana ary ny 25 jolay ny famaranana.
Hilalao ivelan’Antananarivo
Raha saika natao teny By-pass avokoa ny fihaonan’ny CFFA sy ny Elgeco Plus, tsy maintsy hivoaka ny renivohitra kosa ny Ajesaia sy ny FC Rouge. Ny ekipan’Antaninkatsaka, izay hanafika ny Wagner FC, any Ambovombe, ary ny FC Rouge, handeha ho any Antalaha.
Fitia Randria
Ireo mpifanandrina amin’ ity ampahefa-dalan’ity Yas Coupe 2026 :
Wagner vs Ajesaia
Elgeco plus vs As Ste Anne
CFFA vs Cosfa
AFCA vs FC Rouge




