Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 10, 11 ary 12 jolay izao, ny fifaninanana « Coupe Internationale d’Antananarivo », taranja karate. Atleta maherin’ny 400 no andrasana amin’izany. Efa vonona ny fikarakarana ary efa manomboka tonga eto an-toerana, ny alahady teo, ireo mpikatroka avy amin’ny firenena hafa nasaina. Ho an’i Mayotte, 12 ireo mandrafitra ny delegasionina ary manana ekipa tokana izay efa nigadona eto Madagasikara, ny alahady maraina. Omaly kosa no tonga ny avy ao La Réunion, izay ahitana delegasionina miisa 30 ny mandrafitra azy ka mpikatroka ny 28 amin’ireo. Hanatevin-daharana amin’ity fifaninanana ity ihany koa ny mpikatroka avy any Maorisy sy Frantsa.
Marihana fa ny fisian’ny fifaninanana isan-tarika no mampiavaka ny « Coupe Internationale d’Antananarivo » amin’ity taona ity. Ho an’i Madagasikara, efa ela no nanomanana ary zava-dehibe ny fisian’izao fifaninanana izao handrefesana ny lentan’ireo Malagasy mpikatroka, manoloana ireo vahiny.
Tanjona ny hahafahana manatanteraka fifaninanana iraisam-pirenena, hankatoavin’ny Federasionina iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy no sady filoha misahana ny karate eto Afrika, faritra Atsinanana.
Mi.Raz




