Maka Alphonse: “Be loatra ny fihatsarambelatsihy eto amintsika”

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena, ankihitriny, i Maka Alphonse. «Be loatra ny fihatsarambelatsiny eto amintsika», hoy izy.

“Mbola averiko ihany: be loatra ny fihatsarambelatsihy amintsika. Tena tsy misy finiavana hoe hijery ny hoavin’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Conseil du Fam­pihavanana Malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao an­ka­toky ny fifidianana izao. Raha izay tombontsoa ambonin’ny firenena izay no lalan-kevitra mitondra ny mpisehatra politika, na avy amin’ny fitondrana na mpanohitra na olom-pirenena tsotra: mora ny hisian’ny fifampiresahana, fitoniana…

Inona no mahafaty antoka raha mifampiresaka? Eo ireo mpisehatra politika sy mpisehatra amin’ny fifidianana, mpiara-miombon’antoka, raiamandreny, tanora… “Ma­hazo tombony isika raha ma­hay mifampiresaka”, hoy izy. Raha ny tantaram-pirenena no jerena, niteraka korontana hatrany ny fifidianana. Ny anongotsongoana ny maty, tahotra ny handevim-belona. Izay no nahatonga ny CFM nitady sy niady hevitra mo­mba an’izay?
Tsy mendrika krizy intsony ny firenena
Iaraha-mahita ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Efa nahiana ihany izay, fony ry zareo mbola tao amin’ny CFM. Izay no nahatonga azy ireo nitety andrimpanjakana, mpanohitra, firaisamonina sivily… Nifam­pidinika izay hatao izy ireo hisorohana ny krizy vaovao. Tsy hiverenan’izay no nanatonana an’ireo ankolafin-kery rehetra. Ao anatin’izany ny mpi­ara-miombon’antoka amin’ i Madagasikara. Tsy mendrika ny firenena intsony izany krizy izany.
`
Efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny CFM. Na izany aza, olom-pirenena ny tena: tsy mety ny mitazam-potsiny na miala. Firenena iraisana i Madagasikara: inona ny hatao mba tsy hisian’izay korontana izay intsony? Izay no nananganana sehatra ifampiresahana. Nanakianana an-dry zareo fa hoe miandany amin’ny fanaovana fikaonandoham-pirenena. Endrika iray amin’ ny fifampidinihana ny fihaonambem-pirenena. “Aoka isika hahay hifampiresaka amin’izany. Satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra, Ramalina aza mifehy hazo tokana”, hoy ihany izy

R. Nd.

Partager sur: