Fivoriamben’ny UA: mila fandriampahalemana i Afrika

Tontosa ny 18 sy 19 febroary 2023 teo, tao Addis Abeba, ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha-36. Ny krizy misy eo amin’i RDC sy Rwanda, ny fanonganam-panjakana ao Afrika Andrefana ary ny fanovana teo anivon’ny Vondrona Afrikanina no isan’ny nodinihina tao. Ankoatra ny filoham-panjakana sy lehibena governemanta eto Afrika, tonga nanatrika ity fivoriambe ity ihany koa ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Antonio Guterres. “Mila hetsika ho fampandriana fa­ha­lemana i Afrika ary manahy mafy aho amin’ny herisetra mitam-piadina aty Afrika”, hoy ity tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Fi­re­nena mikambana ity.
Nibahan-toerana nandritra ity fivoriana ity ny mahakasika ny ady eo amin’ny firenena sasany, sahala amin’ny ao atsinanan’i RDC. Nisy kosa anefa ny toraka voninkazo avy amin’ ny sekretera jeneralin’ny Fi­renena mikambana ho an’ny fanatsaharana ny ady tao Ethiopie sy tao Libye.
Ankoatra izay, nisy ny fifidianana ny filohan’ny Von­drona Afrikanina. Voafidy tao anatin’izany i Azali Assou­mani, filoham-pirenena kaomorianina. Izy indray, araka izany, no hitantana ny Von­drona Afrikanina mandritra ny herintaona , fotoam-piasany, nandimby an’i Macky Shall. Tsy araka ny nantenaina kosa ny vokatry ny fivoriana raha ny mahakasika ny fanafainganana ny fananganana ny “Zone de libre échange continentale Africaine” (ZLECAF). “Tsy ampy fahasahiana isika”, hoy ny filohan’ny Vondrona Afrikanina vaovao.
Ho an’i Madagasikara kosa, nizara ny vinany sy ny tetikasany mahakasika ny angovo ho an’ny rehetra ny filoham-pirenena nandritra ny dinika momba ny “Sécu­ri­sation de l’accès universel à l’énergie en Afrique”. Tao anatin’izany no nanambarany fa efa miroso amin’ izany i Madagasikara, ary tanjona ny hahatonga ny firenena ma­lagasy ho maodely ao anatin’ izany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: