Seranana Ivato : Mpandeha anatiny miisa 216 isan’ora voakarakara

Efa miasa tanteraka ny fotodrafitrasa vaovao mandray ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Nitombo ny isan’ny mpandeha afaka karakaraina sy ny fiaramanidina mivezivezy.

Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny efitrano malalaka « hall », mikarakara ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny Ivato. Mahatratra 6 miliara Ar (1,2 tapitrisa euros) ny fampiasam-bola nataon’ny Ravi­nala Airports, mitantana azy, nanavaozana ireo fotodrafitrasa. Nohalebiazina ny habeny, nampitomboina ny pitsopitsony, hikarakarana ny mpandeha. Afaka mikarakara mpandeha miisa 216 isan’ora, raha 120 fony teo aloha. Nam­pitomboana avo roa heny ny toerana fisavana ny mpandeha. Mirefy 760 m2 ny efitrano fiondranana, ahitana seza 236, raha 151 tany aloha. Miisa 4 ny varavarambe, raha 2 tany aloha.
Tanjon’ny Ravinala ny hanatsarana ny tolotra omena ny mpandeha avy any ivelany tonga eto Madagasikara sy ny mpanjifa mivezivezy eto an-toerana. Raha aravona, nitotaly 21 876 ny fivezivezen’ny fiaramanidina teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo, ny janoary hatramin’ny jona 2026, ka tao amin’ny zotra anatiny, Tarmac 1, ny 7 737, manome taha 35%. Zotra anatiny sahanin’ny Madagascar Airlines ny 91% amin’ireo, ary zotra manokana ny ambiny. Amin’izao fanatsarana izao, afaka mandray karazana fiaramanidina lehibe ny Tarmac 1. Toy ny Airbus (A220, A330, A340, A340-300, A350,…), ny hafa (Boeing 737, 747, 757,767, 777,…, ny ATR 72), ny fiaramanidina manokana na helikoptera (C-17, IL-76, Mi-26).
Nitombo 34% ny mpandeha
Nanomboka ny taona 2016 no nitantanan’ny Ravi­nala Airports ny seranana iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be. Tanjona napetraka hatramin’izay ny hisian’ny lafiny zotra ara-piaramanidina manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fanomezana antoka ny mpandeha sy ny mpanjifa. Hana­marinana izany, nitombo 34% ny isan’ny mpandeha nivezivezy tao amin’ny seranan’ Ivato, lasa 1 35 000, raha 800 000, tao anatin’izay 10 taona izay, na teo aza ny tranga Covid-19.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: