Departemantan’ny filaminam-bahoaka : Nanabe hisorohana ny fandikan-dalàna, nandritra ny enim-bolana

Nandrefy ny dingana vita ho an’ny enim-bolana voalohany, ho an’ity taona ity, ny departemantan’ny filaminam-bahoaka, izay sahanin’ny minisitra, ny inspecteur général de police, Erick Michel Wouli Soumah Idrissa.

Anisan’ny nimasoana voalohany ny lafiny fa­nabeazana satria ny polisim-pirenena tsy natao ho mpanasazy fotsiny ihany fa mpanabe ny olom-pirenena koa ho fisorohana ny fandikan-dalàna. Tafiditra ao anatin’ny politikam-panavaozana rahateo ny fanabeazana ny olom-pirenena tsirairay amin ny sehatra maro. Ho an’ny filaminam-bahoaka, ny fanabeazana dia nafantoka tamin’ ny hoe: ny azo atao hisorohana sy hialana amin’ny fandikan-dalàna.
Fanabeazana iray amin’ireny ny fandrindrana ny fifamoivoizana ka nampiatoana ny fanasaziana fa nanomezana toerana ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana sy fampahafantarana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Rehefa tafapaka amin’izay tokony hiantefany ny fanabeazana vao nomen-danja ny fampiharana ny voalazan’ny lalàna. Nananama­rika ny minisitra fa sarotra ny manabe eo amin’ity sehatra iray ity satria mitombo ny mpampiasa ny lalana ifamoivoizana sy ny fitaovana mifamoivoy ka tokony hanome lanja ny fifanajana ankoatra ny fiezahana hanara-dalàna izy ireny.
Anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka, indrindra tato ho ato, ny fakana ankeriny, na zaza io na tanora na olon-dehibe. Ny trangana fakana ankeriny fahita hatramin’izay dia miara-dalana amin’ny fitakiana volabe ho sandan’ny famotsorana ny takalonaina. Tsy misy io ny tranga fakana ankeriny hita tato ho ato fa herisetra atao ho fampihorohoroana, fampisavorovoroana hanakorontanana ny fiainam-bahoaka. Efa mandray ny andraikiny ny fanjakana ary tsy miasa irery ny polisim-pirenena fa miara-misalahy amin’ireo mpitandro filaminana rahalahy.
“Ankoatra ireo, nanatontosa fikaonandoha ho fanavaozana ihany koa ny filaminam-bahoaka. Nitety faritra izany ary hampahafantarina sy ho hita eo anivon’ny filaminam-bahoaka ny fanavaozana nentiny”, hoy ny minisitra.

Vonjy

 

Partager sur: