Fambolem-bary : Valatahaka 50 ha any Andranomafana

Hametrahana vala tahaka ho an’ny fambolem-bary mirefy 50 ha any Ranomafana Brickaville any amin’ny lalam-pirenena RN2. Manatanteraka azy ny orinasa Com’On Holding, miara-miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA).
Tetikasa entina hanavaozana ny fomba famokarana, amin’ny alalan’ny fanajariana ny tany, hampitomboana ny velaran-tany hambolena. Paikady hanatanterahana azy ny fampiharana ny fomba kipahy, izany hoe, atao kitohatohatra, sady hampiasana ny fitaovana mekanika. Satria, vitsy ny velaran-tany midadasika any amin’iny tapany atsinanan’i Madagasikara iny, ka ny tendrombohitra no hajariana hambolem-bary.
Tsy hijanona amin’ny famokarana vary fotsiny ny fampiharana ny kipahy, fa hisehatra amin’ny seha-pihariana hafa ihany koa amin’ity vala tahaka ity. Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Fambolena, Ramindo Gaëtan niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy, sy ireo tomponandraikitry ny Com’On Holding, ny alarobia 8 jolay teo, tetsy amin’ny foiben’ny minisitera Anosy.

Njaka A.

Partager sur: