Tany ngazana tany aloha ny any Ambaninjanahary, fokontany, kaominina, distrika Mitsinjo, faritra Boeny. Nosafidian’ny Asity Madagasikara, mitantana ny Faritra Arovana Vondrona Mahavavy-Kinkony (CMK), miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina, nananganana ny Voly tahaka. Ampiharina ny famokarana agro-ekolojia na Ala vadim-boly. Izany hoe, tsy mampiasa akora na zezika simika. Maro ny famokarana fitaratra hita ao, toy ny fiompiana tantely, ny famokarana zana-kazo, ny voly legioma izay tsy fahita any an-toerana. Voly haingam-pihodina (karaoty, angivy, anana, korzety, voatabia, sakay, ovy, « haricot vert », …) no atao. Eo koa ny voankazo mananasy, papay. Ampiasaina ny zezi-pahitra kaomposta (tain’omby, ahitra sy fako) sy ny zezika rano. Izany hoe, akora eny an-toerana ihany no ampiasaina, satria mora vidy, mora ampiasaina, sady manatsara ny nofon-tany. Misy koa ny fambolem-bary nohatsaraina (SRA).
Tsy miantehitra amin’ny harena voajanahary
Nambaran’ny teknisian’ny Fambolena ao amin’ny Asity Madagasikara, fa porofoina fa azo atao tsara ny mamokatra ety an-toerana. Nilaza Randriamanantena José, anisan’ny tantsaha fitaratra, fa maro ny tombontsoa azo, satria mampidi-bola, tsara ny famokarana. Azo atao tsara ny mamokatra tsy miantehitra amin’ny ala voajanahary. Efa maro ny maka tahaka anay, mampihatra ny fomba famokarana.
Njaka A.




