Fakan-kevitra ho an’ny tanora: Miroso amin’ny dingana farany ny fanjakana

Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, tetsy Andakana, fa efa mizotra mankany amin’ny dingana na fandravonana farany mahakasika an’ity fakan-kevitra ho an’ny tanora ity ny minisitera.

Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny faran’ny volana jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny fandravonana farany ny fakan-kevitra ho an’ny tanora, eto Madagasikara. Ho fanomanana izany, misy ny atrikasa hotontosaina eny Anda­kana, mandritra ny telo andro, hiarahan’ny solontenan’ny MJS sy ny solontenan’ny tanora, izay mandrafitra ny komity nasionalin’ny fikarakarana ny fakan-kevitrin’ny tanora, sy ireo mpiara miombon’antoka maro toy ny minisiteran’ny Fana­vaozana, ny Fampianarana sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Mponina,…

“ Antony hisian’ilay atrikasa, ny hijerevana an’ireo lafin-javatra sy lohahevitramaro, izay nanaovan’ireo tanora manerana ny faritra 24 tolo-kevitra. Ka misy ny asa ara-teknika sy ny fandravonana ny hevitra rehetra, mialoha an’io fiatrehana ny dingana farany io”, hoy ny minisitra, Rasam­bany Alain Désiré.

Nantsangana moa ny ko­mity matihanina, hahitana an’ireo teknisianina manana fahaiza-manokana amin’ny fanamorana ny fandravonana ny hevitra. Notsiahiviny fa ho avy eto an-dRenivohitra hiatrika an’io fandravonana farany io ny solontenan’ny tanora manerana ny faritra sy ireo diaspora malagasy.
“Hita soritra ihany …”
Nomarihan’ity lehiben’ny MJS ity, fa efa hita soritra ihany ireo hevi-dehibe. Toy ny mahakasika ny fomba fiatrehana ny fanovana rafitra, ny firosoana makany amin’ny fifidianana, ny fomba fampivoarana ny sehatra toekarena sy ny fampianarana, ary ny fahafahan’ny tanora mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena, ny fandraharahana sy ny fanarenana ny sosialim-bahoaka eto Madagasikara. Amin’ilay daty farany vao hivoaka ny fehin-kevitra isam-paritra, ary hodinihina mandritra ny telo andro indray ny handravonana izany ho hevitra hiraisan’ny rehetra.

F.R

Partager sur: