Yas Madagascar sy ny CUA : Hanisy “Fan Zone” mandritra ity Mondial ity

Tsy ho diso anjara afaka hiaina mivantana ny lalao amin’ny Mondial 2026 hatrany amin’ny famaranana ny mpankafy, etsy amin’ny Parvis Analakely. Hasiana “Fan Zone” maimaimpoana eny an-toerana.

Ho fiatrehana ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, « Mondial 2026 », hisy ny « Fan Zone » handefa mivantana ny lalao, etsy amin’ny Parvis Analakely, mano­mboka anio. Tsy hijanona hatreho amin’io dingana io ihany nefa izany, fa hatrany amin’ny famaranana mihitsy vao ho tapitra ny lanonana baolina kitra eny an-toerana.

Miaraka misalaha amin’ny fikarakarana izany, ny Yas Madagascar sy ny Kaominina Antananarivo  Renivohitra (CUA). Nambaran’izy ireo, omaly, fa natao maimaimpoana, ho an’ireo mpankafy baolina kitra rehetra izany, indrindra ho an’ireo mpanaraka an’io fifaninanana io eto an-dRe­nivohitra.
Mba hampiavaka tsara ny hetsika eny an-toerana, hisy ny lalao maro samihafa hazahoana loka avy amin’ny Yas. Eo ihany koa, ny fanentanana izay hokarakarain’ny tomponandraikitra, mba hanafana an’ny hetsika.
Nohamafisin’izy ireo hatrany, fa hentitra tanteraka ry zareo amin’ny fitandrovana ny mpijery sy ny toerana. Hisy, araka izany, ny polisy monisipaly miisa 50 mahery, sy ny mpanadio tanàna, 30 isa, hiasa mandritra io fampitana mivantana ny lalao etsy, Analakely io.
Hanomboka anio…
Ho an’ny anio, miandry ireo mpankafy ny ekipam-pirenena frantsay, les Bleus sy ny ekipa nasionalin’i Maroc, Lion de l’Atlas, ny fahita lavitra lehibe etsy Analakely. Marihina fa ity lalao ity, handeha mivantana eto Madagasikara amin’ny 11 ora alina.

Fitia Randria

Partager sur: