Tanora mpandraharaha : Sokajy hifaninanana ny « TJE Croissance+ » sy « TJE Startup »

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny Trophée du jeune entrepreneur (TJE) karakarain’ny BNI Madagasikara. Mizara sokajy roa izany amin’ity andiany faha-17 ity. Ny «TJE Croissance+» sy ny «TJE Startup».

Sokajy voalohany ny “TJE Croissance”, natao ho an’ny orinsasa efa mitsangana nandritra ny iray taona farafahakeliny ary tantanana mpandraharaha latsaky ny 45 taona. Fepetra takina ny hananàny «chiffre d’affaires» 60 tapitrisa Ar no miakatra nandritra ny taona 2025. «Anisan’ny tadiavina amin’ity sokajy voalohany ity ilay toetsaina vonona hiatrika ny tsena, miaraka amin’ny hevitra vaovao, ary tokony hita taratra amin’ny vokatra atolony izay fahasahiana izay », araka ny fanazavana nentin’ny Talen’ny fiaraha-miasa stratejikan’ny BNI Madagasi­kara, Rakotovao Hanta, nandritra ny fampahafantarana ny TJE 2026 tetsy Analakely, omaly. Fampindramam-bola hatramin’ny 100 tapitrisa Ar tsy misy zanany, mandritra ny iray taona voalohany hamerenana ny vola, no miandry izay maharesy lahatra ny mpitsara. Raha toa ka eo amin’ny 24 % eo ankehitriny ny zana-bola amin’ny findramam-bola.
Sokajy faharoa kosa ny «TJE Startup », natokana ho an ny tanora manana hevitra sy tetikasa tiana hatsangana na orinasa nitsangana latsaky ny iray taona. Tsy mihoatra ny 45 taona ihany koa ny mpifaninana. Mila jerena indrindra indrindra ny business model, raha ny fanazavana hatrany. Fampindramam-bola hatramin’ny 60 tapitrisa Ar tsy misy zanany kosa no lokan’izay mandresy.

Mivelatra amin’ny tsena
Nanamafy koa ny talen’ny fifandraisana eo anivon’ny BNI Madagasikara, Ralaima­nisa Ndrina, fa hifantoka bebe kokoa amin’ny teknolojia ny mpitsara amin’ity indray mitoraka ity. «Anisan’ny hampirisihina sy entanina ny vehivavy handray anjara amin’ny TJE», raha ny nambarany.
«Fankasitrahana manan-danja manerana ny Nosy ary hampivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny amboara atolotry ny TJE. Tsapa izany nanditra ny 16 taona nisian’ity fifaninana ity», hoy hatrany ny tomponandraikitra. Manamafy ny herin’ny TJE ihany koa ireo mpandraharaha isan-karazany efa nahazo amboara. Ny 1 septambra no fe-potona farany handraisana ny dosie.

Henintsoa

Partager sur: