Foara IN-CO 2026: Atosika ny indostria sy ny varotra

Hatao etsy amin’ny Barea Mahamasina,ny 6,7 ary 8 aogositra ho avy izao ny Foara IN-CO 2026 (Salon de l’industrie et du commerce), karakarain’ny Flash Event. Nambaran’ ny tomponandraikitry ny fikarakarana, Ramatoa Tiavina Ny Anjara, fa « tanjona ny hanosehana ny toekarena malagasy amin’ny alalan’ny fikarohana zava-baovao. Hahazo tombony avokoa ny orinasa mpandray anjara sy mpitsidika rehetra, mba hiantraika mivantana amin’ny firenena, hisian’ny fitomboan-karena eto Madagasikara ».
Manodidina ny 100 ny mpandray anjara. Ahitana seha-pihariana 5. Eo ny indostria sy ny famokarana, toy ny fanodinan-tsakafo, ny harena an-kibon’ny tany, ny lamba ary ny angovo. Eo koa ny varotra sy ny kojakoja, toy ny tranombarotra lehibe, ny fitaterana, ny fanjifana. Fahatelo, ny teknolojia sy ny tolotra, toy ny fifandraisan-davitra, ny niomerika, ny banky, ny fiantohana, sns. Fahefatra, ny Fanorenana BTP sy ny trano. Manampy ireo ny fizahantany sy ny asa tanana. Ankoatra ny varotra fampirantiana, hisy ny famelaberan-kevitra, ny fihaonana mivantana ho an’ny samy mpandraharaha (B2B), sns. Anisan’ny manohana ny hetsika ny CCIA, ny minisiteran’ny Indostria (MIDSP), ny Varotra (MinCC), ny Asa (MTEFop), sns. Efa nikarakara ny Tsena’ny Asa ihany koa ny Flash Event ny volana avrily teo.

Njaka A.

Partager sur: