Filatex Energy : Mahatratra 24 MW ny angovo vokarina ao Toamasina

Hiverina amin’ny laoniny tsy ho ela ny famatsiana herinaratra ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Dingana lehibe no nataon’ny Filatex Energy hanatanterahana izany. Efa miverina mihodina ny gropy mamokatra 4 MW, izay vao avy nokojakojaina. Nisy milina mihodina amin’ny solika HFO, marika Wartsila, manana tanjaka 6 MW ihany koa, hamptitomboana ny vokatra herinaratra. Ankehitriny, mitotaly 24 MW ny herinaratra vokarin’ny Filatex Energy, hamatsiana ny tambajotra Jirama ao Toama­sina. Natao laharam-pahamehana amin’ny famatsiana herinaratra ny fampandehanana ireo fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka, ny toeram-pitsaboana toy ny Hopitalibe eny Ana­lankinina sy ny Hopitaly Mora­feno.
Tanjon’ny Filatex Energy ny hisian’ny angovo maharitra eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny drafitrasan’ny orinasa amin’ity taona 2026 ity ny hanatanterahana ny fandaharanasa angovo azo avy amin’ ny masoandro, andiany faharoa, hanatrarana ny fiampitana mankany amin’ny fampiasana angovo maharitra, ma­dio, eto Madagasikara. Nilaza Ramaromandray Tahina, talen’ny fifandraisana ao amin’ny Filatex Energy, fa «hotohizana ny fampahafantarana ny besinimaro ny fivoaran’ny ezaka atao sy ny famokarana herinaratra. Miasa andro sy alina izahay hanatrarana izany».

Njaka A.

Partager sur: