VAOVAO TAMBATRA

Eo am-panomanana ny Tetibola (PLFI) 2027. Anisan’ny dinihina ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tetibola mandritra ny enim-bolana voalohany ho an’ny taona 2026. Eo koa ny fiofanana ao amin’ny Vovonana PIP, misahana ny fandaniam-bolan’ny fanjakana. Tsinjavina ihany koa ny sori-dalana ho an’ny LFI 2027 sy ny jery todiky ny tetibola isaky ny enim-bolana.

Eo am-pamolavolana ny boky torolalana momba ny ambana biolojika ho an’ny laboratoara ho an’ny biby. Tanjona ny handrindrana ny fomba fanao momba ny fiarovana sy ny fahazoana antoka ny fahasalaman’ny biby. Eo koa ny fiarovana ny mpiasa sy ny fisorohana ny loza ara-biolojika. Manampy ireo ny fahafahan’i Madagasikara misoroka, mamantatra ary mamaly ireo aretina mpahazo ny biby, indrindra ireo mety hifindra amin’ny olombelona.

Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN7, eo amin’ny tetezana Ivato Centre PK 273+700. Efa tafapetraka ny tetezamby vonjimaika, izay simba vokatry ny filatsahan’ny fiara vaventy iray. Nandray andraikitra nanatanteraka ny asa ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Amoron’i Mania, niara-nientana tamin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.

Partager sur: