Nifarana ny tetikasa Fampandrosoana sy fiarovana ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina (Produir), notohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Maro ny fotodrafitrasa vita, toy ny lakandrano C3 nodiovina, trano fonenana vaovao, lalana sy lalan-kely, sns.
Nanomboka ny taona 2019 ny tetikasa Produir. Mitentina 140 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (MATSF). Mitotaly 587 ny isan’ny fotodrafitrasa natao, ka anisan’ny misongadina amin’izany ny fanadiovana ny lakandrano C3, mirefy 12 km ary nohamafisina ny 8,2 km. Nahatratra 115 000 m3 ny fotaka nesorina, natoby any amin’ny kaominina Iarinarivo, Ambohidratrimo. Ny fanadiovana sy ny fanamafisana ny moron’ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, mitotaly 9,4 km, ihany koa. Zava-dehibe ny namindrana toerana sady nananganana trano fonenana vaovao, misy rihana iray, eny Andavamamba Anosibe, ho an’ny fianakaviana miisa 84. Ahitana fotodrafitrasa ho an’ny besinimaro, toy ny tsena, trano fidiovana sy fivoahana, jiro sy rano mandeha amin’ny herin’ny masoandro, lalana, sns. Eo koa, ny trano famakiam-boky eny Andranomanalina I, hanabeazana ny ankizy sy ny tanora, ny kianja basikety eny 67 Ha Afovoany Atsinanana.
Nisitraka ny tetikasa ny boriborintany 1, 4 ary 6 ato amin’ny CUA. Miampy ireo kaominina manodidina (Anosizato Andrefana, Bemasoandro Itaosy ary Andranonahoatra). Nanatsara ny tanàna ny fahavitan’ny moron’ny renirano. Natao rarivato ny lalana mirefy 2 km eny amin’ny kaominina Iarinarivo, nahafahan’ny mponina sy ny vokatra mivezivezy mandavan-taona. Nisy koa ny fampitaovana ny Apipa, mitantana ny lemak’ Antananarivo, toy ny gropy mampandeha herinaratra ho an’ny toby eny Ambodimita, sy ny fitaovana tractopelle.
Tapany atsinanana
Tapitra ny Produir andiany voalohany. Nilaza ny sekretera jeneraly MATSF, Sambany Ruffin, fa efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hamolavolana ny andiany faharoa. Vinavinaina ny hanatanterahana azy ny any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy, izay anisan’ny tena nitondra takaitra vokatry ny rivodoza farany teo.
Njaka Andriantefiarinesy




