Famokarana herinaratra : Hotanterahina ny tetikasa Volobe

Natao sonia ny 10 jolay teo, tany Toamasina, ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa, Kaompania mamokatra herinaratra any Volobe (CGHV). Firosoana any amin’ny hanatanterahana ny tetikasa izany. Ahitana ny tetiandro momba ny dingana rehetra arahina, hametrahana ny fepetra hananganana ny fotodrafitrasa tohodrano. Manamafy ny fifanarahana ankapobeny efa vita ihany koa ity natao ity. Mifanaraka amin’ny lalàna sy ny fenitra iraisam-pirenena mahakasika ny tontolo iainana sy ny sosialy. Ao anatin’izany ny fanomanana ny famatsiam-bola, ny fanorenana ny fotodrafitrasa, ny fikojakojana sy ny famerenana azy amin’ny fanjakana malagasy aorian’ny fe-potoana nifanarahana.
Fampandrosoana ifotony
Ao amin’ny reniranon’­ Ivondro, faritra Atsinanana, no hananganana ny tohodrano Volobe. Hamokatra herinaratra 127 MW, angovo azo havaozina. Hanampy ny famokarana herinaratra sady hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eny ifotony sy eto Madagasikara ny fahavitany. Toy, ny fanatsarana ny lalana, ny fahaiza-manao ary ny fampananan’asa.
Nilaza ny tale jeneraly CGHV, Rémy Huber, fa « manohy ny ezaka sy dingana voafaritra miaraka amin’ny fanjakana izahay. Manaja ny lalàna eto Madagasikara. La­ha­ram-pahamehana ny hampandehanana ny tetikasa manaraka ny fenitra ».

Sajo

Partager sur: