VAOVAO TAMBATRA

Tafapetraka ny maha Faritra arovana an-dranomasina ny Nosy Barren. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny hametrahana ny sata fiaraha-mitoetra eo amin’ny asa fiarovana sy ny asa fitrandrahana manaraka ny lamina ara-tontolo iainana. Nanatanteraka ny fifanarahana ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) sy ny ao amin’ny Harena an-kibon’ny tany, amin’ny alalan’ny Omnis.
Misanda 71 dolara ny vidin’ny solika iray barila (1b=159 L), omaly 10 jolay, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nidina kely io vidiny io raha efa niakatra ho 75 dolara ny 8 jolay teo, noho ny fiverenan’ny ady eo amin’­i Etazonia sy Iran. Tamin’ny 6 avrily no ambony indrindra ny vidiny, nahatratra 112 dolara, hatramin’ny fotoana nipoahan’ny ady any Moyen Orient. Tsy mbola nihetsika ny vidin-tsolika eto amintsika, saingy efa misy ny lamina vaovao hampiharana ny vidiny ifanarahana amin’ny FMI.
Nanaraka fiofanana ireo mpampiofana sy talen’ny ivontoeram-piofanana ara-pamokarana, miankina sy tsy miankina, ny 6 – 10 jolay teo. Niompana tamin’ny haitaom-pamokarana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro izany. Nanatanteraka azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Tambajotra ivontoeram-piofanana aty amin’ny tapany atsimon’Afrika sy ny ranomasimbe Indiana.

Partager sur: