Hotanterahina afaka iray volana eo ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), ho an’ny taona 2026. Tsy miova ny toerana sy ny daty fa hatao any Manakara, ny 17 hatramin’ny 29 aogositra izao, ity fifaninanana ity. Manodidina ny 13 000 eo ny mpiasam-panjakana andrasana. Mandroso ny fanomanana sy ny fikarakarana amin’ny lafiny rehetra, taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny birao tany Manakara, notarihan’ny filohany, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). Nisy ny fifanatonana sy fihaonana teo amin’ny tomponandraikitra sy manam-pahefana any an-toerana ka naneho ny fahavononany izy ireo hanao izay hahatomombana antsakany sy andavany ity fifaninanana nasionaly ity. Tsiahivina fa fifaninanana efa fatao isan-taona ny Asief mba hanamafisana ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana sy hanentanana azy ireo hanao fanatanjahantena.
Mi.Raz




