Nandray anjara tamin’ny Foara ho an’ny fampindramam-bola sy ny fampiasam-bola (Foire aux crédits et Investissements), andiany faharoa, natao teny amin’ny CCI Ivato, ny banky Sipem. Tanjona ny hanomezana vahaolana amin’ny fahazoana famatsiam-bola mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa. Tolotra afaka mifaninana amin’ny hafa, sady mampiroborobo ny orinasa sy ny toekarena malagasy. Tsy nitsahatra nanohana ny mpandraharaha sy ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) ary olon-tsotra ny Sipem Banky tao anatin’izay 35 taona nisiany teto Madagasikara izay. Toy ny fampindramam-bola ho an’ny trano fonenana, ny fividianana fiara na moto iarahana amin’ireo orinasa mpanafatra sy mpaninjara, ny fampitomboana ny tahirim-bola, ny fampiasam-bola hanitarana ny fihariana, sns.
Ho an’ny taona 2026, anisan’ny imasoan’ity banky ity ny fanohanana manokana ny vehivavy mpandraharaha. Ao anatin’izany ny tolotra “Start’her”, ny “Boost’her” ary ny “Sprint’her”, natao hiaingana, hatrany amin’ny fanafainganana ny fihariana. Omena torolalana sy torohevitra ny mpandraharaha hanatanterahany ny tetikasany. Noporofoiny izany nandritra ny Foaran’ny findramam-bola sy ny fampindramam-bola farany teo.
Njaka A.




