Tahiry Be : Ahazoana tahan-janabola hatramin’ny 9%

Manamafy ny fiaraha-miasany ny Orange Money Mada­gascar sy ny Première agence de microfinance (PAMF) amin’ny alalan’ny “Tahiry Be”. Tolotra vaovao fitahirizam-bola ahazoana zanabola hatramin’ny 9% izy io, izay azo ampiasaina amin’ny alalan’ny vovonana M’kajy, na amin’ny alalan’ny kaody #144# ary ny “application” Max it. “Tolotra azon’ny rehetra ampiasaina amin’ny alalan’ny finday ny Tahiry Be. Manomboka amin’ny 10 000 Ar ny petra-bola voalohany, izay tsy ilana fanamboarana antontan-taratasy sy fivezivezena. Na izany, tsy maintsy efa nisoratra tao anatin’ny M’kajy nandritra ny enim-bolana farafahakeliny ny mpanjifa iray vao afaka misitraka izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Orange money Mada­gascar, Marie Victoire Comet, nandritra ny fampahafantarana ny tolotra, ny zoma teo, tetsy Soarano. Azo antoka ny Tahiry Be, tsotra sy mora. Manomboka amin’ny 8,5% isam-bolana ka hatramin’ny ny 9% ny tahan-janabola azo raha voatazona hatramin’ny enim-bolana ny tahiry. “Afaka manokatra kaonty Tahiry Be miisa telo ihany koa ireo mpanjifa manana tetikasa maro. Samy manana ny fe-potoany tsirairay avy ireo kaonty ary kaonty Orange Money iray ihany no ampiasaina hitantanana izany. Tanjona, araka izany, ny hampiroboroboana ny Kolontsaina tia mitahiry vola sy hanamorana ny fahazoan’ny rehetra tolotra ara-bola manerana ny Nosy”, hoy kosa ny tale jeneralin’ny PAMF, Ratsimbazafy Guy. Ankoatra izay, nanamafy ny Orange money Madagascar sy ny PAMF fa hiantoka ny mangarahara, hiarovana ihany koa ny fifanakalozana ara-bola rehetra ataon’ny mpanjifa mba hanomezana tolotra azo antoka sy atokisana.

Henintsoa

Partager sur: