« Yas Coupe » 2026 : Nahintsan’ny Ste Anne ny Elgeco Plus

« Taona fotsy! » Nahintsan’ny AS Ste Anne teo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe » 2026, ny Elgeco Plus, omaly, tetsy By-pass. Resin’izy ireo teo amin’ny fandakana « tir aux buts », 5 no ho 4, ny Elgeco Plus, rehefa nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna.
Votso-droa izany ny klioban’ny Elgeco tamin’ity taom-pilalaovana ity. Sady tsy voatanan’izy ireo ny amboaran’i Madagasikara, votsotra teo am-pelatanany koa ny tompondakan’i Madagasikara.
Tsiahivina fa tamin’ny taona lasa, nanao pao-droa, laharana voalohany, tamin’ny fifaninanam-pirenena sy nandrombaka ny amboara nasionaly « Yas Coupe » 2025 ity ekipa avy eto Analamanga ity. Ny ekipan’ny Wagner FC, nandresy tsy niady ny Ajesaia, izany, mifandona amin’ny klioban’ny AS Ste Anne, eo amin’ny manasa-dalana. Ankoatra izay, afa-bela tamin’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy ny Cosfa miaramila, rehefa nandavo azy ireo, 1 no ho 0, omaly, tetsy By-pass hatrany.
Raha tsy misy ny fiovana, ny FC Rouge sy ny Cosfa no hifandona amin’ny dingana manaraka.

Fitia Randria

Partager sur: