Nosantarina omaly, teny amin’ny foiben’ny Centre de fusion d’informations maritimes (CFIM) Ankaditoho-Soaniera, ny atrikasa momba ny fitantanana sy ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina. Tafiditra amin’ny fandaharanasa Safe Seas Africa izany.
“Hatramin’izay, nohamaivanina ny fiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Tsy manana na sambo iray mpiady aza isika”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana nandritra ny fanokafana ny atrikasa. Mila atao matanjaka ny politika fiarovana, raha ny nambarany. Hanohana izany ny fanjakana satria zava-dehibe ny fanamafisana ny fiarovana ny ranomasina. Maro ny harena very rehefa tsy voaaro. Araka ny tapaka tamin’ny atrikasa nasionalin’ny foloalidahy, hapetraka ny rafitra sy paikady hanatsarana ny Tafika, indrindra ny an-dranomasina amin’ny fampitaovana. “Mila manova fiasa ny foloalindahy hiatrehana ny ambana eny an-dranomasina, toy ny jiolahin-tsambo, jono tsy ara-dalàna, fanondranana olona sy zava-mahadomelina…”, hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny général de corps d’Armée Razafitombo Maminirina Ely. Hanome fitaovana ho an’ny Tafika Malagasy sy ireo rehetra misehatra amin’ny fiarovana ny ranomasina ny fanjakana. Tsy ny Tafika irery no misahana izany fa misy rafitra hafa koa, ahitana ny minisiteran’ny Fitaterana, Tontolo ianana, Jono, Harena an-kibon’ny tany ary ny Fisarana sy ny Foloalidahy.
Tanjon’ny atrikasa mandritra ny hateloana ny hametrahana paikady sy ireo fitaovana rehetra ilaina, toy ny sambo hoenti-miaro ny sisin-dranomasina mirefy 5 000 km. Mandray anjara ny rafitra ao anatin’ny governemanta voakasiky ny fiarovana ny sisintany sy ny ranomasina, miaraka amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana sy ny Vondrona eoropeana. Voakasika ao ny ranomasina indianina sy ny ranomasina manodidina an’i Afrika. Hivoaka aorian’ny atrikasa ny paikady tokana iraisan’ny mpisehatra rehetra handrindra ny asa fiarovana, fanaraha-maso, ady amin’ny hetsika an-dranomasina samihafa tsy ara-dalàna.
Zava-mahadomelina
Araka ny tatitra navoakan’ ny CFIM ny taona 2025, nisongadina ny fanondranana zava-mahadomelina mampiasa ny fitaterana an-dranomasina. “Ankoatra izay ny olona maty an-dranomasina, ny fanjonoana tsy ara-dalàna, fanondranana harem-pirenena toy ny sokatra. Ity farany izay 137 no tratra saika haondrana antsokosoko”, hoy ny tale jeneralin’ny CFIM, ny capitaine de Vaisseau Ramorasata Dimbiharivony Gislain.
Vonjy




