Fiarovana ny ankizy: Nampitaovana ny laharana maitso 147 ny Unicef

Nanao sonia fiaraha-miasa ny solontenan’ny Unicef, i Christine Jaulmes sy ny Filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Feno, tamin’ity herinandro ity. Miompana amin’ny fampitaovana ny foibe fandraisana antso maimaimpoana amin’ny laharana maitso 147 sy ny drafitrasa iraisana ho fanamafisana ny rafitra fiarovana ny ankizy ny fifanarahana izany. Sady ho fiarovana ny ankizy no fisorohana ny endrika herisetra, ho fanatsarana ny fisitrahana tolotra sosialy ny tanjona. “Mampivelatra ny asa fiarovana ny ankizy efa sahanin’ny kaominina ny fiaraha-miasa amin’ny Unicef”, hoy ny mpitantana ny kaominina. Hanampy amin’ny asan’ny foibe fandraisana antso ny fitaovana natolotra. Miasa tsy miato mandritra ny 24 ora ny foibe ary maimaipoana ny fiantsoana azy amin’ny orinasam-pifandraisana telo misy eto amintsika. Fitaovana iray mahomby hitorohana trangana herisetra ny laharana 147. Manampy ireo niharan’ny herisetra amin’ny torohevitra mahomby momba ny dingana rehetra arahina ihany koa.
Nandritra ny taona 2025, nahatratra 405 471 ny antso voaray ka nahitana trangana herisetra natao amin’ny ankizy ny 680 tamin’izany.

Vonjy

Partager sur: