Mpox aty Afrika : Natomboka eto Madagasikara ny «essai clinique»

Tanterahina eto Mada­ga­sikara, amin’izao fotoana izao, ny «essai clinique Mpox Study in Africa (Mosa) » izay fitsapana ara-pitsaboana panafrikana voalohany mampiasa fomba fikarohana azo ampifanarahana ho an’ny fitsaboana ny Mpox.
Efa natao ny 23 sy 24 avrily teo, niaraka tamin’ny ekipan’ny CHU Andohatapenaka Antananarivo, ny fanomanana sy fametrahana ny toerana hanaovana ny fikarohana. Ny 22 mey lasa teo kosa no nampidirana ny marary voalohany handray anjara amin’ilay fikarohana.
Namolavola ity essai clinique ity ny ONG Panther. Miandraikitra ny fanaraha-maso azy ny komity iraisam-pirenena tarihin’ny sampana Science and Innovation ao amin’ny Africa CDC.
Mahazo famatsiam-bola avy amin’ny fandaharanasan’ny Horizon Europe, an’ny vondrona eoropeana, tohanan’ny Africa CDC sy ny Emergent BioSolutions ihany koany tetikasa.
Ireo mpikaroka ao amin’ny Institut Pasteur de Mada­gascar (IPM), sampana misahana ny valanaretina sy ny fikarohana klinika ary ny sampana virolojia, miaraka amin’ny CHU Andohatapenaka, no mitarika ity fikarohana ity.
Maneho ny fahaizan’i Afrika mitarika fikarohana ara-tsiantifika izany ary dingana lehibe amin’ny fanombanana ny anjara asan’ny brincidofovir. Fanafody andrana miady amin’ny otrikaretina amin’ny fitsaboana ny Mpox, mba hahafahan’ny vokatra ho azo ampiasaina hanasoavana ireo olona marefo sy atahorana ho voan’ity aretina ity ny brincidofovir.

Tatiana A

Partager sur: