“Miantso ny tomponandraikitra rehetra izahay mba hanohy hatrany ny fandraisanareo andraikitra sy ny fepetra rehetra am-pahamarinana sy am-pahitsiana ao anatin’ny fangaraharana tanteraka mba tsy hiverenan’ny loza tahaka izao intsony”.
Io ny fanambaran’ny FFKM, tarihin’ny filohany, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ny fiandohan’ny herinandro teo, manoloana ny fahaverezana olona sy famoizana ain’olona etsy sy eroa amin’izao fotoana izao. Miantso ny vahoaka malagasy rehetra koa mba ho tony, hahay handanjalanja ary hifampifehy izy ireo. Aoka tsy hisy hirona amin’ny herisetra, fanendrikendrehana, valifaty na fanaparitahana vaovao tsy voamarina. Ny fifampiresahana sy fifanajana ary ny fihavanana no tokony hanjaka.
“Tsy afa-kangina ny fiangonana raha voahitsakitsaka ny hasin’ny aina izay fanomezan’Andriamanitra”, hoy ireo filoham-piangonana efa-tonta eo anivon’ny FFKM manao sonia ny fanambarana. Mampahatsiahy izy ireo fa ny fiarovana ny aina sy ny fanajana ny hasin’ny olombelona, ny fahamarinana ary ny rariny no fototra iorenan’ny fiadanam-pirenena sy ny fifampatokisan’ny mpitondra sy ny vahoaka. Noho izany, manameloka tanteraka ny herisetra na izay fihetsika rehetra mahatonga izao fahaverezana aina izao izy ireo. Masina ny aina ary adidy iombonan’ny rehetra ny miaro azy. Maneho fiaraha-miory sy fanohanana feno ho an’ireo fianakaviana namoy havana rehetra, ireo naratra ary ireo rehetra voakasik’izao loza izao ny FFKM. Mivavaka ho azy ireo ny FFKM ary manentana ny fiangonana rehetra hanohana ara-panahy sy ara-tsaina sy araka izay tratran’ny heriny amin’izy ireo.
R. Nd.




