Fahombiazana tanteraka ny dian’ny maître Razanajatovo Gildas tany Thaïlande. Nandritra ny roa volana izy no nianatra sy niofana tao amin’ny Muay thai Institute Rangsit International ary nahazo ny mari-pahaizana IS2 sy IS3 ho an’ny “instructeur international”. Ady totohondry izay natao tao Pattaya, tao amin’ny Max Muay Stadium, ny sabotsy lasa teo, no namaranana izay fianarany izay ary nandresy ny ekipa notarihiny, i Lek’Saw Than Soe. Nambaran’ny maître fa mafy ny lalana nodiaviny sy ny kotrana, saingy vita hatramin’ny farany ihany ny fianarana nataony. Indroa isan’andro no mikotrana, adiny 2 ny maraina ary adiny 2 ny hariva. Misy an-tsoratra, am-bava ary fampiharana ny fiofanana ka vita tamin’ny herinandro ny fanadinana. Marihina fa efa nahazo ny mari-pahaizana IS1 izy tamin’ny taon-dasa. Izao azony izao indray ny IS2 sy ny IS3, fara-tampony amin’ny diplaoma “instructor”. Tsy nanadino nisaotra ireo rehetra nanohana azy ny maître Gildas ary vonona hizara ny traikefa sy izay norantoviny mba ho fampandrosoana ity taranja ity eto Madagasikara. Higadona an-tanindrazana, rahampitso zoma, ny maître Razanajatovo Gildas.
Mi.Raz




