Notanterahina nandritra ny roa andro ny atrikasa fanentanana sy fampahafantarana momba ny Mpox ho an’ireo lehiben’ny fokontany sy ireo mpitsabo nentim-paharazana avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo, tamin’ity herinandro ity.
Tanjona tamin’izany ny hanamafisana ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra eny ifotony amin’ ny fisorohana sy ny ady amin’ ny fiparitahan’ny valanaretina. Amin’ny maha olona akaiky
ny fiarahamonina azy ireo, manana anjara toerana lehibe tokoa izy ireo amin’ny fampitana vaovao marina, ny fanentanana ny mponina ary ny fanitsiana ireo hevi-diso mety hiteraka tahotra na fisalasalana manoloana ny Mpox. Singa iray manan-danja amin’ny fanamafisana ny valin-kafatra ara-pahasalamana eny ifotony ny fandraisan’izy ireo anjara.
Efa nisy andiany voalohany ny hetsika fandraisana anjaran’ireo lehiben’ny fokontany sy mpitsabo nentim-paharazana miisa 60. Fanohizana izany ity andiany faharoa ity, nahitana lehiben’ny fokontany miisa 132 sy mpitsabo nentim-paharazana valo.
Nandritra ny atrikasa, nohamafisina ny fahalalan’ireo mpandray anjara momba ny toe-draharaha ara-pahasalamana mahakasika ny Mpox. Eo koa ireo paikady fisorohana sy ny andraikitra sahanin’izy ireo amin’ny fanentanana ny fiarahamonina. Anisan’ny hafatra lehibe nampitaina ny maha zava-dehibe ny fanajana ny fepetra ara-pahadiovana sy ny fanaovana vaksiny miaro amin’ ity valanaretina ity. Anisan’ny paikady entina misoroka ny fiparitahan’ny aretina.
Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionalin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny fiatrehana ny Mpox, ny atrikasa. Mikendry ny hampifandray ny ezaka ara-pitsaboana amin’ny fandraisana anjaran’ny vondrom-piarahamonina.
Ny fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra eny ifotony izay manampy amin’ny fanamafisana ny fampitana hafatra ara-pahasalamana sy fiarovana ny vahoaka.
Nentanina ireo mpandray anjara ho tena mpiara-miombon’antoka amin’ny minisitera amin’ny fanentanana ny mponina, indrindra amin’ny fanaovana vaksiny sy ny fanarahana ireo fepetra fisorohana. Tanjona ny hampihenana ny fiparitahan’ny Mpox. Nanohana ara-bola sy ara-teknika ny fanatanterahana ny atrikasa ny Strides.
Vonjy




