Nitsidika ny ivontoeram-panofanana Mahatsara, tamin’ ity herinandro ity, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Dr Andriamampandry Todisoa sy ireo mpiara-miasa aminy. Niarahana tamin’ny mompera Pedro Pablo Opeka, filoha mpanorina ny fikambanana Akamasoa izany. Nahazo fankatoavana ara-panjakana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ity ivontoeram-panofanana ity, izay tantanin’ ny fikambanana Akamasoa. Manolotra fiofanana amin’ny sehatra 12, manana trano fampiharana valo, efitrano fianarana fito ary trano fonenan’ ny mpianatra roa ny ivontoerana. Ahitana trano fisakafoana sy toerana famakiam-boky ho an’ ny mpiofana koa ao an-toerana.
Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny mpitantana ny Akamasoa. Mikendry ny hanamafisana ny kalitaon’ny fanofanana ao amin’ ny Lycée technique agricole Akamasoa Antolojanahary eny Ankazobe izany. Miompana amin’ny fanatsarana ny tolotra, indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fampifanarahana izany amin’ny filan’ny tsenan’ny asa izany. Ho fanamorana ny fampidirana amin’ny fiainana ara-tsosialy sy arakasa ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta.
Vonjy




