Misongadina hatrany ny tanora malagasy ao anatin’ny fifaninanana tetikasa fandraharahana mitrandraka ny haivao, karakarain’ny Confejes. Nisitraka famatsiam-bola avokoa ny tetikasa 10 avy eto Madagasikara nifaninana ho an’ny famaranana.
Nahazo famatsiam-bola avokoa ny tetikasa fandraharahana miisa 10 naroson’ny tanora malagasy nifaninana tamin’ny Fandaharanasa fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora (PPEJ/ CTSO) 2026 an’ny Confejes. Ahitana ny fivondronan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena ho an’ny firenena mampiasa ny teny frantsay ny mpikarakara. « 217 ny tetikasa malagasy voarain’ny mpikarakara ka nosivanin’ny vaomiera nasionaly teto an-toerana. Nisafidianana ny tetikasa mendrika 10 », hoy ny Talen’ny fandraharahana sy ny fampananana asa ny tanora eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Justin Alain Ben Abou Bakary, omaly, teny Antanimena. Nisitraka tohana ara-bola manodidina ny 2 tapitrisa Francs CFA mahery ny tetikasa isanisany. Misandrahaka amin’ny lohahevitra maro, mivoy sy mitrandraka ny haivao ny tetikasa. 130 ireo voaray avy amin’ny firenena 13 ka ny 128 no nahazo famatsiana.
Mbola hofanina momba ny fitantanana ny kolontsaina mpandraharaha sy homena tantsoroka avy amin’ny teknisianina mandritra ny fanatanterahana ny tetikasa ireo tanora rehetra mpisitraka. Tanora 14-35 taona, efa nanao fiofanana momba ny fandraharahana ary manana tetikasa no afaka nifaninana. Teto Madagasikara no nanatanterahina ny fivoriana tontosaina isan-taona ataon’ny komity mpitsara ny fifaninanana tamin’ity taona ity. Firenena dimy no nahatonga delegasionina. Natolotra, omaly, ny loka ho an’ny tetikasa nisongadina
Vonjy
Fiompiana akoho gasy bio
Fiompiana akoho gasy manara-penitra bio (mampiasa sakafo tsy misy vokatra simika) no anisan’ny tetikasa malagasy iray nahazo famatsiana. “Mandrisika ny tanora hanatanteraka ny tetikasa sy ny nofinofy ny fifaninanana”, hoy ny nambaran’ny mpifaninana. Nivoaka avy amin’ny Ecole de formation de technicien agricole-Ambatobe, i Mihaja volamendrika Cynthia Rosa, avy any amin’ny faritra Itasy tompon’io tetikasa io.




