FVKFM : Kitapon-dra 300 mahery natolotra ny DTS, HJRA

Navitrika tamin’ny hetsika fanomezan-dra maimaimpoana ny kristianina ao amin’ny fiangonana FVKFM, ny sabotsy teo. Kitapon-dra maherin’ny 300 no voaangona nandritra ny hetsika fanentanana. Niarahana tamin’ny sampan-draharaha misahana ny famindrana ra (DTS) etsy amin’ny HJRA izany. Ankoatra ny ara-panahy izay fitaizan’ny fiangonana ny mpino, mandray anjara amin’ny fanampiana ny mpiara-belona sy ny famonjena aina ihany koa ny fiangonana FPVM. Manatan­te­raka ny didy, dia ny hitiavana ny namana ary amin’ny alalan’ny fihetsika ny mpino, hoy ny pasitera, Nomenjana­hary François Daniel.
Niandraikitra ny fanentanana ny Groupe des hopitaux ao am-piangonana mba hananana ny fanahin’ny fahafoizana manome ra maimaimpoana. Fandresen-dahatra ny fahafantarana fa maro ireo olona tsy manam-bola kanefa mila izany any amin’ny hopitaly ka izay no manosika ny kristianina manome ra.
Nilaza ny avy ao amin’ny DTS fa tsy maharaka amin’ny filana ny tolotra ra ao amin’ny tahirin-dra ao amin’ny HJRA. Betsaka ny ra ilaina kanefa mbola vitsy ireo manome ra maimaimpoana.
Olona manolo ra no tena betsaka tonga any amin’ny DTS fa tsy olona manome ra maimaimpoana. Kitapon-dra azo hampiasaina avy hatrany no omen’ireo olona nanolotra avy ao amin’ny FVKFM.

Tatiana A

Partager sur: