Tsy ho marin-toerana indraindray ny habaka any amin’ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy ny fiandohan’ny herinandro. Ny varatrazamalefaka no handrafitra ny toetry ny andro any an-kafa. Hahazo vahana ny varatraza ny alakamisy sy ny zoma izao. Ny fandalovana rindrin-drahona ao atsinanan’ny Nosy kosa no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny faran’ny herinandro. Tombanana hisy fidinana misongadina ny maripana ho an’ny afovoan-tany sy ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy manomboka ny alarobia izao. 3-24°C ny maripana ambany, 15-34 °C ny maripana ambony.
Momba ny valim-panadinana BEPC 2026, mahatratra 54,85% ny taham-pahafahana ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra ary 65,50% ho an’ny Cisco Antananarivo Avaradrano. Ho an’ny Cisco Antananarivo Atsimondrano, 66,01% ny taham-pahafahana. Nanambara ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa tao anatin’ny mangarahara tanteraka no nanatanterahana ny fizotry ny fanadinana BEPC. Fomba telo no hahazoana ny valim-panadinana azo antoka : ao amin’ny tranonkala ofisilian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, amin’ny alalan’ny hafatra avy amin’ny orinasam-pifandraisana telo ary ny petadrindrina eny amin’ny foibem-panadinana.




