ClimateLaunchpad 2026: Startup 3 hisolo tena ny Malagasy any Singapour

Nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana manaraka amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ClimateLaunchpad 2026, Razanamparany Vero, tamin’alalan’ny tetikasany ValorLink sy Raminosaona Zina, mpanorina ny tetikasa ICP. Miampy an’Andriambe­lozaka Liane, tompon’ny tetikasa Sebio. Nandresy tamin’ny famaranana ny fifaninanana natao tetsy Antaninarenina izy telo mianadahy. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny famaranana isam-paritra hatao any Singapour, amin’ny ny volona oktobra. Fotoana hanehoan’ireto startup telo ireto ny tetikasa maitso sy ny teknolojia maharitra ny fotoana.
Marihina fa nahazo ny laharana voalohany sy loka mitentina 5 tapitrisa Ar tamin’ny fifaninana teto an-toerana Razanamparany Vero. Laha­rana faharoa Raminosaona Zina, nahazo loka mitentina 2,5 tapitrisa Ar. Laharana fahatelo Andriambelozaka Liane, nahazo loka mitentina 1,5 tapitrisa Ar.
Fampandrosoana
Nifantoka tamin’ny vahaolana sy fanamby mifandraika amin’ny fampandrosoana ma­haritra ny tetikasan’ny mpifaninana. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny fanodinana ny fako, ny fampiasana angovo madio, ny faharetan’ny fambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nia­vaka ny tetikasan’izy telo mianadahy tamin’ny 10 niatrika ny dingana famaranana.
Talohan’izay, niofanana sy niatrika fanomanana niaraka tamin’ny Miarakap Conseil ny mpifaninana. Dingana voalohany amin’ny fifaninanana ClimateLaunchpad Madagas­car ity natao ity.

Henintsoa

Partager sur: