Tanterahina any Shanghai, Chine, ny World Artificial Intelligence Conference (WAIC) 2026. Hetsika iraisam-pirenena miresaka ny hoavin’ny Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA). Maherin’ny 30 ny firenena mandray anjara ka anisan’izany i Madagasikara. Mitaky fiaraha-mientana maneran-tany ny IA, indrindra amin’ny vanim-potoan’ny IA generative sy ny fampidirana azy ao anatina indostria.
Miditra amin’ny dingana ara-teknika amin’ny fitsidihana ny orinasa Siranala, ao Morondava, ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana. Haharitra andro maromaro ny fanadihadiana ka ahafahana mamolavola ny dingana manaraka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ity tsangambaton’ny indostria ity. Manan-tantara ho an’ny fampandrosoana ny faritra Menabe sy ny toekarena malagasy ity orinasa ity.
Manodidina ny 74 000 taonina (t) isan-taona ny voka-bary ao Mampikony, antony mahatonga ny tomponandraiki-panjakana manara-maso akaiky ny tahirim-bary any an-toerana izay maha sompitry ny vary azy. Ny herinandro teo, milanja 4 345 t ny vary akotry raha 2 540 t kosa ny vary fotsy hita tamin’ireo magazay 13 nojerena.




