Notanterahina tao Manakara, nandritra ny efatra andro, ny fanofanana tanora hisehatra amin’ny asa maha olona. Hetsika mialoha ny loza sy fanentanana ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina no natao. Fanofanana niarahan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) ary ny Fisa Madagascar. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tanora, hahafahan’izy ireo misehatra mavitrika eny anivon’ny fiarahamonina. Nohalalinina ny andraikitry ny asa maha olona, ny fitantanana ny loza sy ny hetsika mialoha ny loza, ny fifandraisana mahomby. Teo koa ny fampitana vaovao ofisialy, ny fampiasana ny rafitra fanairana mialoha ary ny fananganana tambajotran’ny tanora ho an’ny fanomanana sy ny famaliana ny loza.
Nampahafantarin’ny UNFPA ihany koa ny iraka sy ny laharam-pahamehana amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fanamafisana ny fandrindram-piterahana. Tsy nohadinoin’ny mpampiofana koa ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (VBG). Nanamafy ny lanjan’ny fandrindram-piterahana sy ny fahasalamana ara-pananahana ary nanofana ireo tanora ho mpanentana eny anivon’ny fiarahamonina kosa ny Fisa Madagascar.
Vonjy




