Ambarao ny marina

 

Sadaikatra ny vava hiresaka, mihisatra ny tanàna hanoratra ny vaovao mahakasika ny zava-misy marina eto Madagasikara. Zava-doza mihitsy ilay andavanandrom-piainana sy ny fahoriana entiny. Ny olona tsy hita sy maty, miampatrampatra manerana ny Nosy. Raha tsara ambina ny eto an-dRenivohitra, manomboka mipoipoitra izany any amin’ny faritra sy ny renivohi-paritany hafa. Ankona mihitsy ny mpanao facebook, omaly, raha nahita ny vaovao mahakasika ilay dokotera hita faty.
Tena efa tsy misy hasina intsony ve izany ny aina? Efa tena mahasahy ankitsirano mamono ny olona? Aiza ka minitra vitsy na ora vitsy aorian’ny firesahana amin’ny havana dia mety hanjavona sy hody any amin’ny varotsimifody ny Malagasy iray. Raha hampiaka-peo amin’izany anefa izao dia lazain’ny mpisolelaka ho « forongony » sy ho mpanohitra. Tranga iaraha-miaina sy manohintohina ny ain’ny mpiray tanindrazana anefa no resaka.
Hatraiza ny faran’izao zava-misy izao? Toa zary kianja anjakan’ny lalao maloto ilay Madagasikara. Ny indrokely anefa, tsy hay mazava, iza no mpilalao fototra anatin’ilay «revy» sadasada sy tsy manjary ity. Mifanilikilika eo avokoa izay manana andraikitra hisoroka sy hiady amin’izany. Mahazo loza hatramin’ny any an-dafin’ny riaka aza. Efa mahamay be ny zava-mitranga. Izay tsy mahay dia tsy maintsy ho may sy ho tratra farany.
Sarotra be ny hiampangana an-dranona na ranona. Mbola anatin’ny fanadihadiana sy ny kabary lava Ramalagasy izao. Mangataka ny fahamarinana mahakasika ny zava-misy « tena marina » ny sarambabem-bahoaka. Tsy hianona amin’ny honohono sy ny valinteny politika. Tsy ny mpitondra ihany fa na ireo mpilalao politika rehetra mihitsy no mila mijoro. Lazao ny marina!

r.r

Partager sur: