«Nations League 3×3»- U23 : Resin’i Alzeria ny Ankoay lahy sy vavy

Niditra tamin’ny “step two”,  omaly,  ny fifaninanana “Nations League 3×3”,  taranja basikety,  natokana ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona. Fifaninanana tanterahina any Botswana, nanomboka ny 20 jolay lasa teo. Tsy afa-bela nanoloana an’i Alzeria i Madagasikara, tamin’ity “step two” ity,  na teo amin’ny sokajy lehilahy izany,  na ny sokajy vehivavy. Na izany aza, niady tanteraka ny fihaonana teo amin’ny Lehilahy ankoay sy ny ekipan’i Alzeria, ka isa iray monja no tsy nandresen’i Valentin sy ny namany (20-19).  Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa,  somary sahirana i Koloina sy ny ekipany nanoloana ny mpifanandrina taminy,  ka somary nisy ny elanelana teo amin’ny isa. Isa 19 no ho 9 no nandavoan’i Alzeria ny Ankoay. Tsiahivina fa  efa niatrika lalao iray ny Ankoay vavy tamin’ny “step one”  nanoloana an’i Egypta ary resy tamin’ny isa 12 no ho 11. Lalao roa kosa no efa natrehin’ny Ankoay lahy, ka resin’i Egypta, tamin’ny isa 13-11 ary nandresy an’i Botswana, tamin’ny isa 15 no ho 8, izy ireo. Marihina fa misy “step 6” ity fifaninanana ity, ka arakaraka ny isa azo sy ny filaharana ao amin’ny vondrona no hiakarana amin’ny dingana manaraka.

Mi.Raz

Partager sur: