Samy mitady ny anjarany

 

Nanaitra ny nahita ireo mpisintona lakolosy teny amin’ny tambajotran-tserasera, omaly. Nifoha tamin’ny torimasony ireo « influenceurs » fanta-daza tamin’ny hetsika Gen Z. efa niandry ny fahoriam-bahoaka fara-tampony vao mahatsapa fa manana adidy. Ny sasany nahazo seza dia nikombom-bava. Ny hafa nisitraka tohana manokana, nanakipy maso ankitsirano. Namono eritreritra no azo ilazana azy.
Tsy hita ifanomezan-tsiny anefa izany. Samy mitady izay hamelomany ny ankohonany avokoa, na lahy na vavy. Tsy ny hafa rahateo no hiantoka ny filan’ny isan-tokantrano. Eny, tsy manana adidy mivantana amin’izany na ireo heverina ho tompom-pahefana eto amin’ny tanàna. Mbola nofinofy, lavitry ny afo ny kitay, raha ny zava-misy. Ny henjana variana amin’ny mahavariana azy, ny valala tsimandadiharona mbola mitrosona amin’izay ho anjarany.
Tsy misy resaka kiana na sanatrian’ny vava fanenjehana be fahatany ny hiresahana izany, anio, fa fampahatsiahivana. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra fa manana ny rariny sy hitsiny. Mbola any anatin’ny kajin’ny samy maka ho azy sy ny sitrany ahay daholo. Ny avo mbola mitady hirika ny hanovonana ny azony. Ny iva lany andro mifampisintona midina, sitrany miaraka mitsetsetra sy miara-ory anaty tsy fisiana.
Ilay resaka fanavaozana aloha dia mbola any anatin’ny revirevy sy ny amboroa manidintsidina. Tsy hita hanaovana resabe fa efa iaraha-mahita io ny fisehony. Izay nahay nilomano sy nametraka ny dian-tanany no migoka tombony. Samy makamaka kely amin’ilay Madagasikara avokoa. Tsy misy mijery ny besinimaro. Mikely aina ho an’ny tena manokana sy ny fianakaviana akaiky. Porofon’izany ny fizaran-tseza sy ny  aferaferan’ny samy ekipa.

r.r

Partager sur: