INDRAY MIJERY

Nandray andraikitra avy hatrany ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy nanentana sy nanao fanadiovana faobe ny moron-dranomasina ao Ankoba Taolagnaro. Nifarimbona sy niara-nisalahy tamin’izao hetsika izao ny fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny solontena avy amin’ny kaominina Taolagnaro. Sarobidy loatra ny fahasalamana ka laharam-pahamehana ny manana tontolo iainana madio. Nentina nodorana tany amin’ny CHRR Am­boanato ireo fako sarotra levonina. Ireo fako azo levonina kosa nalevina avy hatrany teo an-toerana.
Nahazo fampitandremana miloko maitso noho ny alondrano, manomboka ny sabotsy ho avy izao, eo Besalampy hatrany amin’ny tanjona Vohimena ary eo amin’ny tanjona Vohimena hatrany Farafangana. Misy koa ny fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra manomboka eo Morombe hatrany Taolagnaro, amin’io andro io.
Manamafy ny fepetra fanaraha-maso mandritra ny fanadinana Bakalorea manerana ny Nosy ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hentitra ny fisavana ary hampiharina avy hatrany amin’izay rehetra mandika ny fitsipika mandritra ny fanadinana ny sazy. Efa maro ireo tratra nitondra finday sy taratasy fanaovana hala-tahaka. Misy ireo nafenina tamin’ny toerana tsy ampoizina (toy ny tao anatin’atinakanjo), misy ireo tratra nisolo toerana mpiadina. Fa eo koa ireo misoloky milaza ho manana laza adina sy manana valiny ary ireo mpamorona kaonty hisolokiana.

Partager sur: