Tenisy – Davis Cup : Ao amin’ny sokajy A ny Malagasy

Nanomboka omaly ka haharitra hatramin’ny 25 jolay ho avy izao, any Congo Brazzaville, ny fifaninanana Davis Cup, sokajy lehilahy, aty amin’ny faritra Afrika, vondrona fahadimy. Araka ny fikarohana natao, omaly, mifanintsana ao amin’ny sokajy “A”, miaraka amin’i Mauritanie sy Ethiopie, i Madagasikara. Fanamby lehibe iray ho an’ny Malagasy indray ity. Tanjona sy vina apetrak’izy ireo ny hiakatra ao amin’ny vondrona fahefatra. Mpilalao efa voky traikefa, efa nandalo fifantenana maro no nantsoin’ny kapitenin’ny ekipa nasionaly malagasy Akomba, Rajaobelina Rija. Anisan’izany Rakoton­dramanga Antso, Rakoton­drasoa Valentin, Andriama­silalao Lucas ary i Tovonirina. Tsara ny mampahatsiahy fa tamin’ny taona lasa, nahin­tsan’­i Botswana teo amin’ny manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy. Ampaha­fantarina fa efa tao amin’ny vondrona fahatelon’ny “Davis Cup” ny Malagasy, ny taona 2018. Efa nandalo tao amin’ny vondrona faharoa, ny 2007, raha mbola mijanona ao amin’­ny fahadimy, ankehitriny. Raha tsy misy ny fiovana, hifandona amin’i Ethiopie, anio, ny Malagasy mpikatroka.

Fitia Randria

Partager sur: