“Iza no hisolo tena ny Malagasy atsy Afrika”? Ho fantatra anio, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, ny anaran’izay ekipa ho solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba, “Coupe de la Confédération Caf”. Ny ekipan’ny FC Rouge sy ny AS Ste Anne no hiady ny tapakila hazahoana izany sy ny amboara nasionaly “Yas Coupe 2026”, amin’ity taona ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa efa niady ny famaranan’ny ligin’Analamanga ireto ekipa ireto, ny taona 2023. Ny FC Rouge no voahosotra ho tompondaka, tamin’izany, rehefa nandavo ny Ste Anne, 3 no
ho 1. Mbola manala vela, araka izany, ny ekipan’ny Ste Anne. Samy nilaza ny teknisianin’ny roa tonta fa vonona izy ireo. Samy sambany koa no hifandona amin’ity sehatra avo ity. Nomarihin’ny andaniny sy ny ankilany fa samy manana “Licence Caf” ny roa tonta.
Tsy maintsy hatolotra ny Caf alohan’ny 26 jolay ho avy izao moa ny anaran’ireo ekipa roa hiatrika ny fifanintsanana afrikanina.
Fitia Randria




