Bakalorea 2026 : Dingana faharoa ho an’ny sampana teknika

10 859 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinana bakalorea ho an’ny sampana teknika sy teknolojika manerana ny Nosy. Mahatratra 4 555 no miatrika izany eto Antananarivo.
Nosantarina omaly ny dingana faharoa izay haharitra hefarana. Samy manana ny taranja natrehiny ny mpiadina, arakaraka ny lalam-piofanana nosafidiany.
Nizotra tsara ny tapany maraina ary hita fa nisy ireo mpiadina tsy tonga nanatanteraka ny fanadinana. Mbola mitoetra avokoa ny fepetra nampiharina tamin’ny dingana voalohany, niarahana tamin’ny fampianarana ankapobeny, ao anatin’ny fanatontosana ny bakalorea, raha ny fanazavana.
Hatramin’ny 22 jolay lasa teo, nanambara ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa 66 ireo mpiadina nitondra na nampiasa finday nandritra ny fanadinana bakalorea. 21 nahatrarana taratasy fraude (nahitana antontan-kevitra tany aminy), 20 ny mpiadina narary, telo nisolo toerana mpiadina, roa nitondra montre connectée ary roa hafa koa nangataka valiny tamin’ny namana. Mpiambina iray no tratra nanoro mpiadina. Tranga niseho nandritra ny fanadinana manerana ny Nosy avokoa ireo.

Vonjy

Partager sur: