Notanterahina tao Tsiroanomandidy ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Bongolava. Nanome toromarika ho an’ny rehetra ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra.
Nambarany fa tohanan’ny minisitera amin’ny lafiny teknika ny FFKM amin’ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny andraikitry ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana, vao napetraka, Razakanirina Andriamalala izany, araka ny nambarany. Nanterin’ny minisitra fa mitarika ny fanatanterahana ny politikam-pirenena momba ny Fanavaozana, mifanaraka amin’ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana sy ny vinan’ny governemanta ny minisitera tantaniny. «Mikendry ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fanomezana hasina ny asa fanompoam-panjakana ny Fanavaozana», hoy izy. Ao anatin’izany koa ny ady amin’ ny kolikoly, ny fanavaozana ny fitantanana ny fifidianana sy ny lisi-pifidianana ary ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Nohamafisiny fa ilaina ny fandraisan’ny olom-pirenena rehetra anjara amin’ny fanavaozana ny Repoblika. « Ny fanovana toe-tsaina sy fomba fiasa ary ny fiaraha-mientana ho tombontsoan’ny besinimaro », hoy ihany izy.
Nanamafy ny fahavononany hiara-miasa amin’ny talem-paritra vaovao ny Prefet any an-toerana. Nambarany fa tsy nisy tranga tsy fandriampahalemana voarakitra eo amin’io lafiny io ao amin’ny faritra vokatry ny fiaraha-miasan’ny Centre opérationnel sy ny Task Force.
Synèse R.




