Homarihina amin’ny seho ny niangalian-dRandrianarisoa Rijamanitra ny taranja dihy, nandritra ny 30 taona sy 25 taona nitsanganan’ny “Dih’Art Madagascar”. Ny alahady 2 aogositra izao no hanaovana izany, eny amin’ny CCI Ivato.
Tsy ho avelan-dRandrianarisoa Rijamanitra handalo fotsiny ny fankalazana ny faha-30 taona nandihizany sy ny faha-25 taona nitsanganan’ny “Dih’Art Madagascar”, sekoly mampianatra mandihy izay natsangany. Hotantaraina an-tsehatra amin’ny alalan’ny seho goavana “Voyage dans le temps” ny niantombohany sy ny dingana rehetra nolalovany teo amin’ny dihy. Ny alahady 2 aogositra izao, eny amin’ny CCI Ivato, no hanatanterahina ity seho ity, araka ny nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foiben’ny “Dih’Art Madagascar” Antanimena. Karazana dihy maro (rock, bachata, kizomba, afro, hip-hop, K-pop, danse retro, dihy malagasy toy ny tsapiky, mangaliba sy ny maro hafa) no haseho amin’io fotoana io, araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina sy Tale artistika ny Dih’Art Madagascar no sady filohan’ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, Randrianarisoa Rijamanitra. Hisy ihany koa ny Zumba sy fandihizana malalaka natokana ho an’ny mpanotrona sy mpijery. Tsy ny mpandihy avy eto Analamanga ihany, fa hisy ihany koa ny avy amin’ny faritra ho avy mandritra ity hetsika ity. Tsiahivina fa ny dihy “rock” no niantombohan’i Rijamanitra. Nolovainy tamin’ny ray aman-dreniny izay samy mpandihy avokoa. Ny taona 1996 izy no nanomboka niditra klioba sy nivoatra teo amin’izay dihy izay. Nanao fifaninanana maro ary nanomboka nandalina ny “Danse de salon”. Tany amin’ny taona 2008 no nanomboka niditra tamin’ny dihy ara-panatanjahantena sy ny karazana dihy hafa izy ary ankehitriny tsy mitsahatra mitrandraka izay dihy izay, araka ny fanazavany.
Mi.Raz




