Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy avy niatrika ny Nations League Fiba 3X3, taranja basikety, natao tany Botswana, ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa samy laharana faharoa ny Ankoay lahy sy vavy nandritra ity fifaninanana ity, rehefa nahavita ny “step 6”.
Medaly alimo roa no azon’ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Juniors, taranja Judo, natao tany Casablanca, ny faran’ny herinandro teo. Randrianjohany Alice, sokajy latsaky ny 78 kg sy i Said Hasimbola Wilan, sokajy latsaky ny 81 kg no nandrombaka izany medaly izany.
Araka ny fikarohana natao, fantatra izao fa nifindra ao amin’ny klioba espaniola, Real Madrid, ilay ivorianina, Yan Diomande. Mitentina 100 tapitrisa euro eo ny sandan’ny fifindrany. Tsara ny mampahatsiahy fa mpilalaon’ny RB Leipzig, atsy Allemagne, i Yan Diomande, teo aloha ary namiratra be tamin’ny Mondial 2026 teo, niaraka tamin’i Côte d’Ivoire.




