Rugby – XXL Top 12: Hanao famaranana ny Cosfa sy ny Uscar

“ Adin’ny samy boaty !” Ny ekipan’ny Kaominina Antana­na­rivo Renivohitra, Uscar sy ny an’ny miaramila, Cosfa no tafita hiatrika ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”. Raha hiverenana kely ny ma­nasa-dalana rehetra teny Ando­hatapenaka, ny alahady teo. Ny ekipan’ny Cosfa nandavo ny FTM Man­jakaray, tompondaka farany, tamin’ny isa mokafoy, 30 no ho 28. Tamin’ ity fihaonana ity, niady hatramin’ny farany ny fifanandrinan’ny roa tonta. Ny ekipan’i Manjaka­ray hatrany no nitarika teny amin’ny solaitrabe, saingy dimy minitra tsy hifaranan’ny lalao vao nahita ny isa nitondra ny fandresena ho an’ny miaramila ny mpilalaon’ny Cosfa.
Ny mpilalaon’ny Kaomini­na kosa nanintsana ny CEA Andranomanalina, tamin’ny isa mokafoy ihany koa, 37 no ho 35. Nanindry tanteraka ny mpilalaon’ny Uscar. Porofon’ izany, nitarihin’izy ireo tamin’ny isa 17 no ho 7, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tao anatin’ny fidirana faharoa, mbola nitarika 24 no ho 7 ry zareo. 15 minitra tsy hifaranan’ny lalao vao taitra tamin’ny torimasony ny CEA, ka niezaka nanenjika ny isa, saingy nifarana tamin’ny isa, 37 no ho 35 ny lalao, nandresy ny Uscar.
Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina ny 16 aogositra ho avy izao, ny famaranana ny “XXL Top 12”. Amin’io fotoana io ihany koa no hanaovana ny lalao sakana hiakarana Top 12.

F.R

Partager sur: